Boky faharoan'ny Mpanjaka 11:5
Fa Solomona nanaraka an’ i Astarta, andriamani-bavin’ ny Sidoniana, sy Milkoma, fahavetavetan’ ny Amonita.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 11
Cross References
Leviticus 20:2Lazao amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Na iza na iza amin’ ny Zanak’ Isiraely, na amin’ ny vahiny eo aminy, no manolotra ny zanany ho an’ i Moloka, dia hatao maty tokoa: ny vahoaka no hitora-bato azy.
Judges 2:13Eny, nahafoy an’ i Jehovah izy ka nanampo an’ i Bala sy Astarta.
1 Samuel 7:3Ary hoy Samoela tamin’ ny taranak’ Isiraely rehetra: Raha miverina amin’ i Jehovah amin’ ny fonareo rehetra tokoa ary ianareo, dia ario hiala aminareo ny andriamani-kafa sy ireo Astarta, ka ampiomany ny fonareo ho an’ i Jehovah, ary aoka Izy ihany no hotompoinareo, dia hamonjy anareo amin’ ny tanan’ ny Filistina Izy.
1 Kings 11:7Ary tamin’ izany Solomona dia nanao fitoerana avo ho an’ i Kemosy, fahavetavetan’ i Moaba, teo amin’ ny havoana tandrifin’ i Jerosalema, ary ho an’ i Moloka, fahavetavetan’ ny taranak’ i Amona.
2 Kings 23:13Ary nolotoin’ ny mpanjaka ireo fitoerana avo izay teo anoloan’ i Jerosalema, teo amin’ ny ankavanan’ ny tendrombohitra nahitan-doza, dia ireo nataon’ i Solomona, mpanjakan’ ny Isiraely, ho an’ i Astarta, fa havetavetan’ ny Sidoniana, sy ho an’ i Kemosy, fahavetavetan’ i Moaba, ary ho an’ i Milkoma, fahavetavetan’ ny taranak’ i Amona.
Zephaniah 1:5Sy izay mivavaka any an-tampon-trano amin’ izay eny amin’ ny lanitra, Ary izay miankohoka sy mianiana ho an’ i Jehovah Sady mianiana amin’ i Malkama,