Boky faharoan'ny Mpanjaka 12:24
Izao no lazain’ i Jehovah: Aza mandeha hiady amin’ ny Zanak’ Isiraely rahalahinareo; fa samia mody any an-tranony avy ianareo, fa avy amiko izao zavatra izao. Dia nihaino ny tenin’ i Jehovah ny olona, ka dia samy lasa nody araka ny tenin’ i Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 12
Cross References
Genesis 24:50Dia namaly Labana sy Betoela ka nanao hoe: Avy tamin’ i Jehovah no nisehoan’ izany zavatra izany, ka tsy mahazo milaza teny aminao izahay, na ratsy na soa.
Judges 14:4Fa tsy fantatry ny rainy sy ny reniny fa avy tamin’ i Jehovah izany, satria nitady izay hiadiany tamin’ ny Filistina Izy; fa tamin’ izany andro izany ny Filistina no nanapaka ny Isiraely.
1 Kings 12:15Koa dia tsy nihaino ny olona ny mpanjaka; fa avy tamin’ i Jehovah izany zavatra izany hahatanteraka ny teniny izay nampilazainy an’ i Ahia Silonita tamin’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata.
2 Chronicles 11:4Izao no lazain’ i Jehovah: Aza mandeha hiady amin’ ny rahalahinareo, fa samia mody any an-tranony avy ianareo, fa avy amiko izao zavatra izao. Ary nihaino ny tenin’ i Jehovah ny olona, ka dia samy lasa nody, fa tsy nandeha hamely an’ i Jeroboama.
2 Chronicles 25:7Nefa nisy lehilahin’ Andriamanitra tonga tao aminy ka nanao hoe: Ry mpanjaka, aza avela hanaraka anao ny miaramilan’ ny Isiraely; fa tsy omban’ i Jehovah ny Isiraely, dia ny taranak’ i Efraima rehetra.
2 Chronicles 28:9Ary nisy mpaminanin’ i Jehovah tao, Odeda no anarany, izay nivoaka hitsena ny miaramila, raha nankany Samaria, izy ka nanao taminy hoe: He! ny nahatezeran’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, tamin’ ny Joda no nanolorany azy ho eo an-tananareo, dia novonoinareo ireny tamin’ ny fahatezerana manakatra ny lanitra.