Boky faharoan'ny Mpanjaka 12:32
Ary Jeroboama, nanendry andro firavoravoana tamin’ ny andro fahadimy ambin’ ny folo amin’ ny volana fahavalo, tahaka ny andro firavoravoana tamin’ ny Joda ihany, ka nanatitra fanatitra teo ambonin’ ny alitara izy. Toy izany no nataony tao Betela, fa namono zavatra hatao fanatitra ho an’ ireo ombilahy kely izay nataony izy; ary nampitoeriny tao Betela ireo mpisorona amin’ ny fitoerana avo izay notendreny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 12
Cross References
Leviticus 23:33Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Numbers 29:12Ary amin’ ny andro fahadimy ambin’ ny folo amin’ ny volana fahafito dia hisy fivoriana masìna ho anareo; aza manao tao-zavatra akory, fa mitandrema ny andro firavoravoana hafitoana ho an’ i Jehovah.
1 Kings 8:2Dia nivory ho any amin’ i Solomona mpanjaka ny lehilahy rehetra amin’ ny Isiraely tamin’ ny andro firavoravoana tamin’ ny volana Etanima (volana fahafito izany).
1 Kings 13:1Ary, indro, nisy lehilahin’ Andriamanitra avy tany Joda tonga tany Betela noho ny tenin’ i Jehovah, raha mbola nitsangana teo anilan’ ny alitara handoro ditin-kazo manitra Jeroboama.
Amos 7:10Dia naniraka tany amin’ i Jeroboama, mpanjakan’ ny Isiraely, Amazia, ilay mpisorona tao Betela, nanao hoe: Amosa efa nanao tetika hikomy aminao teo amin’ ny taranak’ Isiraely, ary tsy zakan’ ny tany ny teniny rehetra,