Boky faharoan'ny Mpanjaka 12:33
Ary nanatitra fanatitra teo ambonin’ ny alitara izay nataony tao Betela izy tamin’ ny andro fahadimy ambin’ ny folo amin’ ny volana fahavalo, volana izay notendreny araka ny sitrapony ihany; ary nanao andro firavoravoana ho an’ ny Zanak’ Isiraely izy sady nanatitra fanatitra teo ambonin’ ny alitara sy nandoro ditin-kazo manitra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 12
Cross References
Numbers 15:39Ary ho somotraviavy ho anareo izany, ka raha jerenareo, dia hotsarovanareo sy hankatoavinareo ny didin’ i Jehovah rehetra; ary tsy handeha araka ny fonareo ianareo, na araka ny masonareo, izay andehananareo hijangajangana,
1 Kings 13:1Ary, indro, nisy lehilahin’ Andriamanitra avy tany Joda tonga tany Betela noho ny tenin’ i Jehovah, raha mbola nitsangana teo anilan’ ny alitara handoro ditin-kazo manitra Jeroboama.
2 Kings 17:32Dia natahotra an’ i Jehovah ny olona, ary izay avy tamin’ ny ankabiazam-bahoaka no notendreny ho mpisorona amin’ ny fitoerana avo, ary ireny no nanatitra fanatitra tao amin’ ny trano eny amin’ ny fitoerana avo nisolo ny vahoaka.
2 Chronicles 26:6Ary nivoaka izy ka niady tamin’ ny Filistina, dia nandrava ny mandan’ i Gata sy ny an’ i Jabne sy ny an’ i Asdoda ary nanao tanàna tany Asdoda sy tany amin’ ny Filistina.
Isaiah 29:13Ary hoy ny Tompo: Satria manatona Ahy amin’ ny vavany ity firenena ity ary mankalaza Ahy amin’ ny molony, nefa ampanalaviriny Ahy kosa ny fony, ka ny fahatahorany Ahy dia didin’ olombelona ampianarina azy ihany,
Mark 7:13ka dia foananareo ny tenin’ Andriamanitra amin’ ny fampianarana voatolotra anareo, izay nasainareo hotandremana; ary zavatra maro mifanahatahaka amin’ izany koa no ataonareo.