Boky faharoan'ny Mpanjaka 16:7
Ary Jeho mpaminany zanak’ i Hanany, dia nampitondraina ny tenin’ i Jehovah ny amin’ i Basa sy ny taranany, satria nanao ratsy teo imason’ i Jehovah ka nampahatezitra Azy tamin’ ny asan’ ny tanany, ka dia tonga tahaka ny mpianakavin’ i Jeroboama, ary satria namono ireo izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 16
Cross References
1 Kings 14:14Ary Jehovah hanangana mpanjaka ho an’ ny Isiraely izay handringana ny taranak’ i Jeroboama amin’ izany andro izany; fa rahoviana ange izany? Izao ankehitriny izao ihany.
1 Kings 15:29Ary rehefa nanjaka izy, dia namely ny mpianakavin’ i Jeroboama rehetra izy, ka tsy nasiany niangana ho an’ i Jeroboama na dia olona iray akory aza, fa naringany avokoa ireo araka ny tenin’ i Jehovah izay nampilazainy an’ i Ahia Silonita mpanompony,
2 Kings 10:30Ary hoy Jehovah tamin’ i Jeho: Satria efa nanao soa ianao tamin’ ny nanaovanao izay mahitsy eo imasoko sady efa nataonao tamin’ ny taranak’ i Ahaba araka izay rehetra tao am-poko, koa dia hitoetra amin’ ny seza fiandrianan’ ny Isiraely ny taranakao hatramin’ ny zafindohalika.
2 Chronicles 16:7Ary tamin’ izany andro izany dia nankeo amin’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda, Hanany mpahita ka nanao taminy hoe: Noho ny niankinanao tamin’ ny mpanjakan’ i Syria fa tsy niankina tamin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao, dia afa-nandositra ny tananao ny miaramilan’ ny mpanjakan’ i Syria.
Isaiah 2:8Ny taniny dia feno andriamani-tsi-izy koa; Eo anatrehan’ ny asan’ ny tanany no iankohofany, Dia izay nataon’ ny rantsan-tanany;
Isaiah 44:9Izay mamorona sarin-javatra voasokitra dia zava-poana avokoa; Ary ny zavatra tiany indrindra dia tsy mahasoa; Ny vavolombelon’ ireny dia tsy mahita na mahalala, mba hahamenatra azy.