Boky faharoan'ny Mpanjaka 2:26
Ary Abiatara mpisorona dia nilazan’ ny mpanjaka hoe: Mandehana ianao hankany Anatota ho any an-tambohonao, fa olona tokony hatao maty ianao; nefa tsy hataoko maty amin’ izao andro izao, satria nitondra ny fiaran’ i Jehovah Tompo teo alohan’ i Davida raiko ianao sady niara-nitondra fahoriana tamin’ ny raiko tamin’ izay rehetra nampahoriana azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
25Ary Solomona mpanjaka naniraka an’ i Benaia, zanak’ i Joiada; ary izy namely azy ho faty.
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 2
Cross References
Joshua 21:18ary Anatota sy ny tany manodidina azy ary Almona sy ny tany manodidina azy, dia tanàna efatra.
1 Samuel 23:6Ary raha nandositra nankany amin’ i Davida tany Keila Abiatara, zanak’ i Ahimeleka, dia nitondra efoda teny an-tànany izy.
2 Samuel 12:5Dia nirehitra mafy ny fahatezeran’ i Davida tamin’ izany olona izany, ka hoy izy tamin’ i Natana: Raha velona koa Jehovah, tsy maintsy hatao maty izay olona nanao izany;
1 Kings 1:7Ary efa niresaka tamin’ i Joaba, zanak’ i Zeroia, sy Abiatara mpisorona izy; ka dia niandany tamin’ i Adonia izy roa lahy ka nanampy azy.
1 Kings 2:35Ary Benaia, zanak’ i Joiada, no notendren’ ny mpanjaka ho solony ho komandin’ ny miaramila; ary Zadota mpisorona no notendren’ ny mpanjaka ho solon’ i Abiatara.
Isaiah 10:30Mikiakiaha mafy, ry zanakavavin’ i Galima, Mampandria sofina, ry Laisy. Indrisy, ry Anatota mahantra!