Boky faharoan'ny Mpanjaka 2:35
Ary Benaia, zanak’ i Joiada, no notendren’ ny mpanjaka ho solony ho komandin’ ny miaramila; ary Zadota mpisorona no notendren’ ny mpanjaka ho solon’ i Abiatara.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 2
Cross References
1 Samuel 2:35Ary Izaho hanangana mpisorona mahatoky ho Ahy, izay hanao araka ny ato am-poko sy ato an-tsaiko; ary Izaho hampaharitra ny taranany, ka handeha eo anatrehan’ ny voahosotro mandrakizay izy.
1 Kings 1:33Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ento miaraka aminareo ny mpanompon’ ny tomponareo, ary ampitaingeno ny ampondravaviko Solomona zanakolahy, ka ento midìna any Gihona izy.
1 Kings 2:27Ary Solomona dia nanongana an’ i Abiatara tsy ho mpisoron’ i Jehovah, ka dia nahatanteraka ny tenin’ i Jehovah, ilay nolazainy tao Silo ny amin’ ny taranak’ i Ely, izy.
1 Chronicles 6:4Ny zanakalahin’ i Merary dia Maly sy Mosy. Ary izao no fokon’ ny Levita araka ny rainy:
1 Chronicles 24:3Ary Davida sy Zadoka, isan’ ny taranak’ i Eleazara, sy Ahimeleka, isan’ ny taranak’ Itamara, dia nizara azy araka ny antokony sy ny fanompoany avy.
1 Chronicles 29:22Ary nihinana sy nisotro tamin’ ny fifaliana be teo anatrehan’ i Jehovah ny olona tamin’ izany andro izany. Ary nampanjakainy fanindroany Solomona, zanak’ i Davida, sady nohosorany ho an’ i Jehovah ho mpanapaka, ary Zadoka ho mpisorona.