Boky faharoan'ny Mpanjaka 20:23
Ary hoy ny mpanompon’ ny mpanjakan’ i Syria taminy: Andriamanitry ny havoana ny Andriamanitr’ izy ireo, koa izany no nahareseny antsika; fa aoka ange isika hiady aminy eny an-tany lemaka, raha tsy ho resintsika izy e.!
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 20
Cross References
1 Samuel 4:8Mahita loza isika! Iza no hamonjy antsika amin’ ny tànan’ ireo andriamanitra mahery ireo? Ireo no andriamanitra izay namely ny Egyptiana tamin’ ny kapoka rehetra tany an-efitra.
1 Kings 20:28Ary nanatona ilay lehilahin’ Andriamanitra ka nilaza tamin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Satria ny Syriana nilaza hoe: Andriamanitry ny havoana ihany Jehovah, fa tsy mba Andriamanitry ny tany lemaka, dia hatolotro eo an-tananao ireo olona maro be rehetra ireo, ka dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah.
2 Chronicles 32:13Tsy fantatrareo va izay nataoko, dia izaho sy ny razako, tamin’ ny firenena rehetra tany amin’ ny tany hafa? Moa ireny andriamanitry ny firenena tany amin’ ny tany hafa ireny va nisy nahavonjy ny taniny akory tamin’ iny tanako?
Psalms 121:1Fihirana fiakarana. Manopy ny masoko ho amin’ ny tendrombohitra aho; Avy aiza ny famonjena ahy?
Romans 1:21fa na dia nahalala an’ Andriamanitra aza izy, dia tsy mba nankalaza Azy toy izay miendrika ho an’ Andriamanitra, na nisaotra Azy, fa tonga zava-poana izy tamin’ ny fisainany, ary tonga maizina ny fony donto.