Epistily ho an'ny Romana 1:21
fa na dia nahalala an’ Andriamanitra aza izy, dia tsy mba nankalaza Azy toy izay miendrika ho an’ Andriamanitra, na nisaotra Azy, fa tonga zava-poana izy tamin’ ny fisainany, ary tonga maizina ny fony donto.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
22Nandoka tena ho hendry izy ka tonga adala,
Read all of Epistily ho an'ny Romana 1
Cross References
Genesis 6:5Ary hitan’ i Jehovah fa be ny faharatsian’ ny olona tambonin’ ny tany, ka izay fisainana rehetra avy amin’ ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro.
Deuteronomy 28:29Dia hitsapatsapa ianao na dia amin’ ny mitatao-vovonana aza tahaka ny fitsapatsapan’ ny jamba ao amin’ ny aizim-pito ka tsy ho tonga amin’ izay halehanao; dia hampahorin’ ny sasany sy hobaboiny mandrakariva ianao, fa tsy hisy hamonjy.
Psalms 50:23Izay manatitra fanati-pisaorana no manome voninahitra Ahy; ary izay mitandrina ny lalany no hanehoako ny famonjen’ Andriamanitra.
Psalms 86:9Ny firenena rehetra nataonao dia ho avy hiankohoka eo anatrehanao, Tompo ô, Ka hanome voninahitra ny anaranao.
Isaiah 44:9Izay mamorona sarin-javatra voasokitra dia zava-poana avokoa; Ary ny zavatra tiany indrindra dia tsy mahasoa; Ny vavolombelon’ ireny dia tsy mahita na mahalala, mba hahamenatra azy.
Jeremiah 2:5Izao no lazain’ i Jehovah: Inona moa no tsy marina hitan’ ny razanareo tamiko, no dia nanalavitra Ahy izy sady nanaraka ny zava-poana, ka dia tonga zava-poana koa izy?