The Bible Software
bible.software › Boky faharoan'ny Mpanjaka › Boky faharoan'ny Mpanjaka 20 › Boky faharoan'ny Mpanjaka 20:35

Boky faharoan'ny Mpanjaka 20:35

Ary nisy lehilahy anankiray, zanaky ny mpaminany, niteny tamin’ ny namany araka ny tenin’ i Jehovah ka nanao hoe: Masìna ianao asio aho. Fa tsy nety namely azy ilay lehilahy.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And a certain man of the sons of the prophets said unto his neighbour in the word of the LORD, Smite me, I pray thee. And the man refused to smite him.

In Context

34Ary hoy Beni-hadada taminy: Ny tanàna izay nalain’ ny raiko tamin’ ny rainao dia hampodiko; ary manaova lalambe ho anao any Damaskosy, tahaka ny nataon’ ny raiko tany Samaria. Ary hoy Ahaba: Halefako ianao amin’ izany fanekena izany. Dia nanao fanekena taminy izy ka nandefa azy.

36Dia hoy izy taminy: Satria ianao tsy nihaino ny feon’ i Jehovah, indro, fa raha vao miala amiko eto ianao, dia hisy liona hamono anao. Ary raha vao niala teo aminy izy, dia hitan’ ny liona ka novonoiny.

Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 20

Cross References

1 Kings 13:1Ary, indro, nisy lehilahin’ Andriamanitra avy tany Joda tonga tany Betela noho ny tenin’ i Jehovah, raha mbola nitsangana teo anilan’ ny alitara handoro ditin-kazo manitra Jeroboama.

1 Kings 20:37Ary nahita lehilahy hafa indray ralehilahy ka nanao hoe: Masìna ianao, asio aho. Ary ilay lehilahy namely azy, dia voa izy ka naratra.

2 Kings 2:5Ary ireo zanaky ny mpaminany izay tao Jeriko nanatona an’ i Elisa ka nanao taminy hoe: Fantatrao va fa anio no hangalan’ i Jehovah ny tomponao hiala ho any ambonin’ ny lohanao? Ary izy namaly hoe: Eny, fantatro ihany koa izany, fa mangìna ianareo.

2 Kings 2:15Ary raha nahita azy ireo ny zanaky ny mpaminany izay nanandrify azy teo Jeriko, dia nanao hoe: Ny fanahin’ i Elia efa mipetraka amin’ i Elisa. Ary nandeha nitsena azy ireo ka niankohoka tamin’ ny tany teo anatrehany.

2 Kings 4:38Ary Elisa niverina nankany Gilgala; ary nisy mosary tamin’ ny tany; ary ny zanakalahin’ ny mpaminany nipetraka teo anatrehany, ka hoy izy tamin’ ny zatovony: Ataovy eo an-tokoana ny vilany lehibe, ary mahandroa hanina ho an’ ny zanakalahin’ ny mpaminany.

Isaiah 20:2tamin’ izany andro izany no nampitondran’ i Jehovah teny an’ Isaia, zanak’ i Amoza, hoe: Andeha, borahy ny lamba fisaonana ho afaka amin’ ny valahanao, ary esory ny kiraronao hiala amin’ ny tongotrao. Dia nanao izany izy ka nandeha tsy nitafy sady tsy nikiraro.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Boky faharoan'ny Mpanjaka 20:35

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Boky faharoan'ny Mpanjaka 20:34Boky faharoan'ny Mpanjaka 20Boky faharoan'ny Mpanjaka 20:36 →