Boky voalohan'ny Tantara 2:5
Ary ireo zanaky ny mpaminany izay tao Jeriko nanatona an’ i Elisa ka nanao taminy hoe: Fantatrao va fa anio no hangalan’ i Jehovah ny tomponao hiala ho any ambonin’ ny lohanao? Ary izy namaly hoe: Eny, fantatro ihany koa izany, fa mangìna ianareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 2
Cross References
Joshua 1:1Ary rehefa maty Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, dia hoy Jehovah tamin’ i Josoa, zanak’ i Nona, mpanompon’ i Mosesy:
1 Kings 20:35Ary nisy lehilahy anankiray, zanaky ny mpaminany, niteny tamin’ ny namany araka ny tenin’ i Jehovah ka nanao hoe: Masìna ianao asio aho. Fa tsy nety namely azy ilay lehilahy.
2 Kings 4:1Ary nisy vehivavy anankiray, vadin’ ny zanaky ny mpaminany, nitaraina tamin’ i Elisa hoe: Maty ny vadiko mpanomponao; ary ianao mahalala fa natahotra an’ i Jehovah ny mpanomponao; nefa tonga ny tompo-trosa haka ny zanako mirahalahy ho andevony
2 Kings 6:1Ary hoy ireo zanaky ny mpaminany tamin’ i Elisa: Indro, tsy omby anay ny toerana izay itoeranay eto aminao.
Ecclesiastes 3:7Ao ny andro andriarana, ary ao ny andro anjairana; Ao ny andro anginana, ary ao ny andro itenenana;
Amos 7:14Dia namaly Amosa ka nanao tamin’ i Amazia hoe: Tsy mba mpaminany aho, na zanaka ny mpaminany; fa mpiandry ondry sy mpioty aviavy ihany aho,