Boky faharoan'ny Mpanjaka 22:25
Dia hoy Mikaia: Indro, ho hitanao izany amin’ ny andro hidiranao ao amin’ ny efi-trano anatiny hierenao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 22
Cross References
1 Kings 20:30Fa ny sisa dia nandositra nankany an-tanàna Afeka; nefa nianjeran’ ny manda ireny olona sisa ireny, ary fito arivo amby roa alina no isany. Ary Beni-hadada nandositra nankany an-tanàna ka niditra tao amin’ ny efi-trano anatiny.
Isaiah 9:14(Ny loholona sy ny manan-kaja no loha, ary ny mpaminany izay mampianatra lainga no rambo);
Jeremiah 28:16Koa izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hesoriko tsy ho amin’ ny tany ianao; amin’ ity taona ity ihany no hahafatesanao, satria fiodinana tamin’ i Jehovah no notorinao
Jeremiah 29:32dia izao no lazain’ i Jehovah: Indro, efa hamaly an’ i Semaia Nehelamita sy ny taranany Aho: tsy hanana zanakalahy honina amin’ ity firenena ity izy sady tsy hanam-pifaliana amin’ ny hahitana ny soa izay hataoko amin’ ny oloko, hoy Jehovah, satria fiodinana tamin’ i Jehovah no notoriny.
2 Peter 2:1Efa nisy mpaminany sandoka teo amin’ ny olona Isiraely, ary hisy koa mpampianatra sandoka tahaka izany eo aminareo, izay hahatonga mangingina sain-diso mahavery ary handà ny Tompo Izay nividy azy aza ka hahatonga fahaverezana tampoka ho amin’ ny tenany.