Boky faharoan'ny Mpanjaka 3:4
Ary ny mpanjaka nankany Gibeona hamono zavatra hatao fanatitra any, fa izany ilay fitoerana avo malaza; ka fanatitra dorana arivo no naterin’ i Solomona teo amin’ izany alitara izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 3
Cross References
Joshua 9:3Ary ny mponina tao Gibeona nahare izay nanaovan’ i Josoa an’ i Jeriko sy Ay,
1 Kings 8:63Ary Solomona namono zavatra hatao fanati-pihavanana, Izay nateriny ho an’ i Jehovah, dia omby roa arivo amby roa alina sy ondry aman’ osy roa alina amby iray hetsy. Toy izany no nitokanan’ ny mpanjaka sy ny Zanak’ Isiraely rehetra ny tranon’ i Jehovah.
1 Chronicles 16:39Ary Zadoka mpisorona sy ny mpisorona rahalahiny dia navelany teo anoloan’ ny tabernakelin’ i Jehovah teo amin’ ny fitoerana avo any Gibeona,
2 Chronicles 1:2Ary Solomona nandidy Isiraely rehetra, dia mpifehy arivo sy mpifehy zato sy mpitsara ary loham-pirenena rehetra tamin’ ny Isiraely, dia lohan’ ny fianakaviana,
2 Chronicles 1:6Ary Solomona nanatitra fanatitra teo amin’ ny alitara varahina teo anatrehan’ i Jehovah, izay momba ny trano-lay fihaonana; fanatitra dorana arivo no nateriny teo.
2 Chronicles 29:32Ary ny isan’ ny fanatitra dorana izay nentin’ ny fiangonana dia omby fito-polo sy ondrilahy zato ary zanak’ ondry roan-jato; natao fanatitra dorana ho an’ i Jehovah ireo rehetra ireo.