Boky faharoan'ny Mpanjaka 8:63
Ary Solomona namono zavatra hatao fanati-pihavanana, Izay nateriny ho an’ i Jehovah, dia omby roa arivo amby roa alina sy ondry aman’ osy roa alina amby iray hetsy. Toy izany no nitokanan’ ny mpanjaka sy ny Zanak’ Isiraely rehetra ny tranon’ i Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 8
Cross References
Numbers 7:10Dia ny lohan’ ny firenena no nanatitra ho amin’ ny fitokanana ny alitara tamin’ ny andro izay nanosorana azy; koa dia samy nanatitra ny fanatiny teo anoloan’ ny alitara izy.
1 Chronicles 29:21Ary namono zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah izy sady nanatitra fanatitra dorana ho an’ i Jehovah nony ampitson’ iny, dia vantotr’ ombilahy arivo sy ondrilahy arivo ary zanak’ ondry arivo mbamin’ ny fanatitra aidina momba ireo ary fanatitra hafa be dia be ho an’ ny Isiraely rehetra.
2 Chronicles 7:5Ary Solomona mpanjaka namono zavatra hatao fanatitra, dia omby roa arivo amby roa alina sy ondry aman’ osy roa alina amby iray hetsy. Toy izany no nitokanan’ ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra ny tranon’ Andriamanitra.
2 Chronicles 29:32Ary ny isan’ ny fanatitra dorana izay nentin’ ny fiangonana dia omby fito-polo sy ondrilahy zato ary zanak’ ondry roan-jato; natao fanatitra dorana ho an’ i Jehovah ireo rehetra ireo.
2 Chronicles 35:7Ary ny vahoaka izay vory teo dia nomen’ i losia zanak’ ondry sy zanak’ osy, telo alina no isany hatao Paska avokoa ireo sy omby telo arivo; avy tamin’ ny fananan’ ny mpanjaka ireo.
Nehemiah 12:27Ary rehefa hitokanana ny mandan’ i Jerosalema, dia nitady ny Levita avy tamin’ ny fonenany rehetra izy mba ho entina any Jerosalema hanao ny fitokanana amin’ ny fifaliana sy ny fiderana ary ny hira mbamin’ ny kipantsona sy ny valiha ary ny lokanga.