bible.software › Boky faharoan'ny Mpanjaka › Boky faharoan'ny Mpanjaka 5 › Boky faharoan'ny Mpanjaka 5:22
Boky faharoan'ny Mpanjaka 5:22
Ary Hirama naniraka tany amin’ i Solomona hanao hoe: Efa reko ny nanirahanao tatỳ amiko; koa izaho dia hanao izay rehetra irinao ny amin’ ny hazo sedera sy ny hazo kypreso.
Baiboly Malagasy (1865)
In Context
21Ary rehefa ren’ i Hirama ny tenin’ i Solomona, dia faly indrindra izy ka nanao hoe: Ankehitriny izao dia isaorana anie Jehovah, Izay nanome zanakalahy hendry ho Davida hanapaka izao olona betsaka izao.
23Ny vahoakako hitondra azy midìna avy any Libanona ho any amin’ ny ranomasina, ary hofeheziko ka hampandehaniko mitsinkafona amin’ ny rano ho any amin’ izay hotononinao, ary any vao hoberahiko izy, ka dia ianao kosa no hampaka azy; ary ianao dia hanao izay iriko amin’ ny fanomezan-kanina ho an’ ny ankohonako.
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 5
This Verse In Other Editions
Study Boky faharoan'ny Mpanjaka 5:22