Boky faharoan'ny Mpanjaka 6:23
Ary tao anatin’ ny efitra anatiny dia nasiany kerobima hazo oliva roa, samy folo hakiho avy no hahavony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And within the oracle he made two cherubims of olive tree, each ten cubits high.
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 6
Cross References
Genesis 3:24Eny, noroahiny ny olona; ary nampitoeriny tany atsinanan’ ny saha Edena ny kerobima sy ny lelafon’ ny sabatra mihebiheby hiambina ny lalana mankany amin’ ny hazon’ aina.
Exodus 25:20Ary aoka hivelatra eo ambony ny elatry ny kerobima, mba hanalofan’ ny elany ny rakotra fanaovam-panavotana; ary ny tavany hifanatrika, sady hanatrika ny rakotra fanaovam-panavotana koa izy.
2 Chronicles 3:10Ary tao amin’ ny efi-trano masìna indrindra dia nasiany sarin’ ny kerobima roa, ary nosokiriny no nanaovany azy, dia nopetahany takela-bolamena.
Psalms 80:1Ho an’ ny mpiventy hira. Al-shoshanim-edoth. Salamo nataon’ i Asafa.
Ezekiel 10:2Ary niteny tamin-dralehilahy nitafy rongony fotsy Izy nanao hoe: Midìra eo anelanelan’ ny kodia, dia eo ambanin’ ny kerobima, ary fenoy vain’ afo avy eo anelanelan’ ny kerobima ny tananao roa, ka afafazo amin’ ny tanàna izany. Dia niditra teo imasoko izy.
Hebrews 1:14Tsy fanahy manompo va izy rehetra, nirahina hanao fanompoana ho an’ izay handova famonjena?