Boky faharoan'ny Mpanjaka 7:40
Ary Hirama nanao ny tavin-drano sy ny sotron’ afo ary ny lovia famafazana; ka dia vitan’ i Hirama ny asa rehetra izay nataony ho an’ i Solomona mpanjaka ho amin’ ny tranon’ i Jehovah:
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 7
Cross References
Exodus 24:6Ary nalain’ i Mosesy ny antsasaky ny rà ka nataony teo anaty lovia, ary ny antsasaky ny rà kosa natopiny teo amin’ ny alitara.
Exodus 39:32Ary vita ny asa rehetra tamin’ ny tabernakelin’ ny trano-lay fihaonana; fa ny Zanak’ Isiraely efa nanao araka izay rehetra nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
2 Kings 25:14Ary nentiny koa ny vilany fandraofan-davenona sy ny sotron’ afo sy ny antsy sy ny lovia kely ary ny fanaka varahina rehetra izay nenti-nanao fanompoam-pivavahana.
2 Chronicles 4:8Ary nanao latabatra folo koa izy, dia napetrany tao amin’ ny tempoly, dimy teo amin’ ny ankavanana, ary dimy teo amin’ ny ankavia. Ary nanao lovia volamena zato famafazana izy.
Jeremiah 52:18Ary nentiny koa ny vilany fandraofan-davenona sy ny sotron’ afo sy ny antsy sy ny lovia famafazana sy ny lovia kely mbamin’ ny fanaka varahina rehetra izay nenti-nanao fanompoam-pivavahana.