Bokin'i Jeremia 52:18
Ary nentiny koa ny vilany fandraofan-davenona sy ny sotron’ afo sy ny antsy sy ny lovia famafazana sy ny lovia kely mbamin’ ny fanaka varahina rehetra izay nenti-nanao fanompoam-pivavahana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 52
Cross References
Exodus 25:29Ary manaova ny loviany sy ny lovia keliny ary ny fitoeran-divainy sy ny kapoakany ho fanidinam-panatitra; volamena tsara no hanaovanao ireo.
Exodus 27:3Ary manaova ny vilaniny fandraofan-davenona handraofana ny lavenony ary ny sotron’ afony sy ny loviany famafazana ary ny fitrebiny sy ny fitondran’ afony; varahina no hanaovanao ny fanaka rehetra momba azy.
Exodus 37:23Ary nanao ny lela fanaovan-jirony fito sy ny hetin-jirony sy ny fitoeran-davenon-jirony tamin’ ny volamena tsara izy.
Numbers 4:7Ary hamelatra lamba, volon’ ondry manga eo ambonin’ ny latabatry ny mofo aseho izy, ka hataony eo ny lovia sy ny lovia kely sy ny kapoaka ary ny fitoeran-divay ho fanidinana; ary ny mofo aseho dia hataony eo amboniny.
Numbers 7:13Ary ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masìna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
Numbers 7:26lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;