Boky faharoan'ny Mpanjaka 8:44
Raha mivoaka hiady amin’ ny fahavalon’ ny olonao, na ho aiza na ho aiza no hanirahanao azy, ka mivavaka amin’ i Jehovah manandrify ny tanàna izay nofidinao sy ny trano izay nataoko ho an’ ny anaranao izy,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
45dia henoy any an-danitra ny fivavany sy ny fifonany, ka omeo rariny izy.
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 8
Cross References
Deuteronomy 20:1Raha mivoaka hanafika ny fahavalonao ianao ka mahita soavaly sy kalesy ary olona maro noho ianao, dia aza matahotra azy; fa Jehovah Andriamanitrao kosa, Izay nitondra anao niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta, no momba anao.
Joshua 1:2Efa maty Mosesy mpanompoko; koa mitsangàna, mità ity Jordana ity ianao sy ireo olona rehetra ireo ho any amin’ ny tany izay omeko azy, dia ny Zanak’ Isiraely.
Joshua 8:1Dia hoy Jehovah tamin’ i Josoa: Aza matahotra na mivadi-po ianao, ento miaraka aminao ny vahoaka rehetra mpanafika, ka miaingà, iakaro Ay; indro, efa natolotro eo an-tananao ny mpanjakan’ i Ay mbamin’ ny vahoakany sy ny tanànany ary ny taniny.
Judges 4:6Ary Debora naniraka ka niantso an’ i Baraka, zanak’ i Abinoama, tany Kadesi-naftaly, ka nanao taminy hoe: Moa tsy efa nandidy va Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, nanao hoe: Mandehana, ka mankanesa any an-tendrombohitra Tabara, ary mitondrà iray alin-dahy amin’ ny taranak’ i Naftaly sy Zebolona hiaraka aminao?
1 Samuel 15:3Koa mandehana ankehitriny, ka mameleza ny Amalekita, ary aringano izay rehetra mety ho azy, ka aza asiana miangana, fa vonoy avokoa, na lahy na vavy, na ankizy madinika, na zaza minono, na omby, na ondry aman’ osy, na rameva, na boriky.
1 Samuel 30:8Ary Davida nanontany tamin’ i Jehovah hoe: Henjehiko va izany jirika izany? Ho tratro va izy? Dia namaly azy Jehovah hoe: Enjeho izy, fa ho tratranao tokoa ary ho rarakao.