Boky faharoan'ny Mpanjaka 8:60
mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin’ ny tany fa Jehovah no Andriamanitra, fa tsy misy afa-tsy Izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
That all the people of the earth may know that the LORD is God, and that there is none else.
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 8
Cross References
Exodus 6:7Dia halaiko ho Ahy ianareo ho oloko, ary ho Andriamanitrareo Aho; dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay mitondra anareo mivoaka ho afaka amin’ ny fanompoana mafy ampanaovin’ ny Egyptiana anareo.
Deuteronomy 4:39Koa aoka ho fantatrao anio, ka tsarovy ao am-ponao, fa Jehovah no Andriamanitra any amin’ ny lanitra ambony sy etỳ amin’ ny tany ambany, ka tsy misy afa-tsy Izy.
1 Samuel 17:46Anio no hanoloran’ i Jehovah anao amin’ ny tanako, ary hamely anao aho ka hanapaka ny lohanao, dia homeko ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny fatin’ ny miaramilan’ ny Filistina anio, mba ho fantatry ny tany rehetra fa manana Andriamanitra tokoa ny Isiraely.
1 Kings 18:39Ary raha nahita izany ny olona rehetra, dia niankohoka ka nanao hoe: Jehovah, Izy no Andriamanitra; Jehovah, Izy no Andriamanitra.
Isaiah 37:20Koa ankehitriny, Jehovah Andriamanitray ô, vonjeo amin’ ny tànany izahay, mba hahafantaran’ ny fanjakana rehetra ambonin’ ny tany fa Hianao ry ihany no Jehovah.
Isaiah 44:8Aza matahotra na mangovitra ianareo; Tsy efa nampandre anareo hatramin’ ny fahiny va Aho ka nanambara taminareo? Eny, ianareo no vavolombeloko; Misy Andriamanitra afa-tsy Izaho va? Tsia, tsy misy Vatolampy, tsy hitako izany.