Epistily voalohany nosoratan'i Petera 4:13
fa araka ny iombonanareo fijaliana amin’ i Kristy, dia mifalia, mba hiravoravoanareo indrindra amin’ ny fisehoan’ ny voninahiny koa.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily voalohany nosoratan'i Petera 4
Cross References
Isaiah 35:10Eny, ny navotan’ i Jehovah hiverina ka hankany Ziona amin’ ny fihobiana, ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; Hahazo fifaliana sy faharavoravoana izy, ka dia handositra ny alahelo sy ny fisentoana.
Matthew 5:12Mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa toy izany ihany no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo.
Matthew 25:21Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin’ ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midìra amin’ ny fifalian’ ny tomponao.
Matthew 25:31Ary raha tonga ny Zanak’ olona amin’ ny voninahiny, arahin’ ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianan’ ny voninahiny Izy;
Mark 8:38Fa na iza na iza no ho menatra Ahy sy ny teniko amin’ ity taranaka sady mijangajanga no manota ity, dia ho menatra azy kosa ny Zanak’ olona, raha avy amin’ ny voninahitry ny Rainy mbamin’ ny anjely masìna.
Luke 17:30Dia ho tahaka izany koa amin’ ny andro hisehoan’ ny Zanak’ olona.