Filazantsara araka an'i Marka 8:38
Fa na iza na iza no ho menatra Ahy sy ny teniko amin’ ity taranaka sady mijangajanga no manota ity, dia ho menatra azy kosa ny Zanak’ olona, raha avy amin’ ny voninahitry ny Rainy mbamin’ ny anjely masìna.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
37Fa inona no homen’ ny olona ho takalon’ ny ainy?
Read all of Filazantsara araka an'i Marka 8
Cross References
Daniel 7:10Ony afo no nivoaka sy nandeha avy teo anatrehany; arivoarivo no nanompo Azy, ary alinalina no nitsangana teo anatrehany; nipetraka ny Mpitsara, ary novelarina ny boky.
Zechariah 14:5Dia handositra ho any amin’ ny lohasahan’ ny tendrombohitro ianareo, fa hipaka hatrany Azela ny lohasahan’ ny tendrombohitra; eny, handositra ianareo tahaka ny nandosiranareo ny horohorontany tamin’ ny andron’ i Ozia, mpanjakan’ ny Joda; ary ho avy Jehovah Andriamanitro mbamin’ ny masìna rehetra momba Azy.
Matthew 10:32Ary amin’ izany na zovy na zovy no hanaiky Ahy eo anatrehan’ ny olona, dia hekeko kosa izy eo anatrehan’ ny Raiko Izay any an-danitra.
Matthew 13:41Ny Zanak’ olona haniraka ny anjeliny, ary ireny dia hanangona ka hamoaka amin’ ny fanjakany ny zavatra mahatafintohina rehetra mbamin’ izay manao meloka,
Matthew 16:27Fa ho avy ny Zanak’ olona amin’ ny voninahitry ny Rainy, mbamin’ ny anjeliny, dia hamaly ny olona rehetra araka ny nataony.
Matthew 25:31Ary raha tonga ny Zanak’ olona amin’ ny voninahiny, arahin’ ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianan’ ny voninahiny Izy;