Boky faharoan'i Samoela 1:20
Ary tamin’ ny fahatanterahan’ ny andro dia nanan’ anaka Hana ka nitera-dahy, ary ny anarany nataony hoe Samoela, fa hoy izy: Tamin’ i Jehovah no nangatahako azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 1
Cross References
Genesis 4:25Ary Adama nahalala ny vadiny indray, ka dia niteraka zazalahy ravehivavy; ary ny anarany nataony hoe Seta; fa Andriamanitra, hoy izy, efa nanome ahy zanaka anankiray koa ho solon’ i Abela, satria novonoin’ i Kaina izy.
Genesis 16:11Ary hoy indray Ilay Anjelin’ i Jehovah taminy: Indro, manan’ anaka ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataonao hoe Isimaela, satria efa nihaino ny fahorianao Jehovah.
Genesis 30:6Ary hoy Rahely: Andriamanitra efa nanome ahy ny rariny sady efa nihaino ny feoko, ka nomeny zazalahy aho; izany no nanaovany ny anarany hoe Dana.
Exodus 2:10Ary rehefa lehibe ny zaza, dia nentiny tao amin’ ny zanakavavin’ i Farao izy, ka dia tonga zanany. Ary ny anarany nataony hoe Mosesy; fa hoy izy: Satria tamin’ ny rano no nangalako azy.
1 Chronicles 4:10Ary Jabeza niantso an’ Andriamanitry ny Isiraely hoe: Enga anie ka hotahinao tokoa aho, ka hohalalahinao ny fari-taniko, ary ho amiko ny tananao, ka harovanao amin’ ny ratsy aho, mba tsy hampahory ahy izany. Ary dia nomen’ Andriamanitra azy ny nangatahiny.
Matthew 1:21ka hiteraka Zazalahy izy, ary ny anarany hataonao hoe Jesosy; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ ny fahotany.