Boky faharoan'i Samoela 1:23
Ary hoy Elkana vadiny taminy: Ataovy ary izay tianao; mitoera ihany mandra-panotinao azy; ary hefain’ i Jehovah anie ny teniny. Dia nitoetra ravehivavy ka nampinono ny zanany mandra-panotiny azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 1
Cross References
Genesis 21:7Ary hoy koa izy: Nampoizin’ iza akory moa no hilaza amin’ i Abrahama fa hampinono zaza Saraha? kanjo efa niteraka zazalahy taminy aho, rehefa antitra izy.
Numbers 30:8ka nandre izany ny lahy, nefa tsy niteny azy tamin’ ny andro nandrenesany, dia tsy afaka ny voadiny sy izay famehezana namehezany ny fanahiny.
1 Samuel 1:17Dia namaly Ely ka nanao hoe: Mandehana soa aman-tsara; ary homen’ Andriamanitry ny Isiraely anao anie izay nangatahinao taminy.
1 Samuel 14:40Dia hoy kosa izy tamin’ ny Isiraely rehetra: Hianareo no aoka ho an-daniny, ary izaho sy Jonatana zanako kosa ho an-daniny. Ary hoy ny vahoaka tamin’ i Saoly: Ataovy izay sitrakao.
1 Kings 3:21Ary nony nifoha maraina hampinono ny zanako aho, indro fa maty izy; kanjo rehefa nofantariko sy nony maraina, dia indro fa tsy ny zanako naerako.
Isaiah 44:26Ary mahatò ny tenin’ ny mpanompoko sy mahatanteraka ny saina atolotry ny irako, ary manao amin’ i Jerosalema hoe: Honenana ianao, sy amin’ ny tanànan’ ny Joda hoe: Hatsangana ianareo, ka hamboariko izay rava eo,