Boky faharoan'i Samoela 1:24
Ary nony efa maoty ny zaza, vao nentiny niakatra niaraka taminy izy mbamin’ ny vantotr’ ombilahy telo sy koba iray efaha ary divay iray tavoara, ka nentiny ho ao an-tranon’ i Jehovah tao Silo izy; ary mbola kely ny zaza.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
25Dia novonoiny ny vantotr’ ombilahy iray, ary nentiny ho ao amin’ i Ely ny zaza.
Read all of Boky faharoan'i Samoela 1
Cross References
Numbers 15:9dia fanatitra hohanina koa no haterinao ho fanampin’ ny isan-omby iray, dia koba tsara toto telo ampahafolon’ ny efaha voaharo diloilo antsasaky ny hina;
Deuteronomy 12:11dia eo amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrareo hampitoerany ny anarany no hitondranareo izay rehetra andidiako anareo, dia ny fanatitra doranareo sy ny fanatitrareo hafa alatsa-drà sy ny fahafolon-karenareo sy ny fanatitra asandratry ny tananareo, ary izay zavatra tsara ataonareo voady amin’ i Jehovah.
Joshua 18:1Dia nivory tao Silo ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, ka nanangana ny trano-lay fihaonana tao. Ary ny tany dia resy teo anoloany.
1 Kings 11:20Ary ny rahavavin’ i Tapanesa niteraka zazalahy tamin’ i Hadada, dia Genobata, izay notazan’ i Tapanesa tao an-tranon’ i Farao; ary Genobata niara-nitoetra tamin’ ny zanakalahin’ i Farao tao an-dapa.