Boky faharoan'i Samoela 10:5
Rehefa afaka izany, dia ho tonga any Gibean’ Andriamanitra ianao, izay misy miaramilan’ ny Filistina; ary rehefa tonga ao an-tanàna ianao, dia hifanena amin’ ny mpaminany maro irai-dia midìna avy ao amin’ ny fitoerana avo mitondra lokanga sy ampongatapaka sy sodina ary valiha eo alohany, dia haminany ireo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
4ary hiarahaba anao ireo sy hanome anao mofo roa, dia horaisinao amin’ ny tànany izany.
Read all of Boky faharoan'i Samoela 10
Cross References
1 Samuel 9:12Dia namaly azy ireo ka nanao hoe: Ao ihany izy; indro ao alohanao ao izy; mandehana faingana, fa efa tonga ao an-tanàna izy izao, satria misy fanatitra hataon’ ny vahoaka ao amin’ ny fitoerana avo anio;
1 Samuel 13:3Ary Jonatana namely ny miaramilan’ ny Filistina, izay tany Geba, ary ren’ ny Filistina izany. Ary Saoly nampitsoka anjomara teny amin’ ny tany rehetra ka nanao hoe Aoka handre ny Hebreo.
1 Kings 18:29Ary na dia efa nitsidika aza ny andro, dia mbola naminany ihany izy hatramin’ ny fotoan’ ny fanatitra hariva; nefa tsy nisy nanoina, na namaly, na nihaino azy akory.
2 Kings 2:5Ary ireo zanaky ny mpaminany izay tao Jeriko nanatona an’ i Elisa ka nanao taminy hoe: Fantatrao va fa anio no hangalan’ i Jehovah ny tomponao hiala ho any ambonin’ ny lohanao? Ary izy namaly hoe: Eny, fantatro ihany koa izany, fa mangìna ianareo.
2 Kings 2:15Ary raha nahita azy ireo ny zanaky ny mpaminany izay nanandrify azy teo Jeriko, dia nanao hoe: Ny fanahin’ i Elia efa mipetraka amin’ i Elisa. Ary nandeha nitsena azy ireo ka niankohoka tamin’ ny tany teo anatrehany.
2 Kings 4:38Ary Elisa niverina nankany Gilgala; ary nisy mosary tamin’ ny tany; ary ny zanakalahin’ ny mpaminany nipetraka teo anatrehany, ka hoy izy tamin’ ny zatovony: Ataovy eo an-tokoana ny vilany lehibe, ary mahandroa hanina ho an’ ny zanakalahin’ ny mpaminany.