Boky faharoan'i Samoela 14:3
ary teo koa nisalotra efoda Ahia, zanak’ i Ahitoba, rahalahin’ i Ikaboda, zanak’ i Finehasa, zanak’ i Ely, mpisoron’ i Jehovah tany Silo. Fa tsy fantatry ny olona fa lasa Jonatana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 14
Cross References
Exodus 28:26Ary manaova vava volamena roa, ka ataovy amin’ ny zorony roa ambany amin’ ny saron-tratra, dia amin’ ny sisiny anatiny, izay manolotra ny efoda.
1 Samuel 2:28Eny, nofidiko tamin’ ny firenen’ Isiraely rehetra ho mpisoroko izy mba hanatitra fanatitra eo ambonin’ ny alitarako sy handoro ditin-kazo manitra ary hisalotra efoda eo anatrehako, ary nomeko ho an’ ny tarana-drainao ny fanatitra rehetra ataon’ ny Zanak’ Isiraely amin’ ny afo.
1 Samuel 4:21Dia nataony hoe Ikaboda ny anaran’ ny zaza; fa hoy izy: Afaka ny voninahitry ny Isiraely, satria efa lasan-ko babo ny fiaran’ Andriamanitra, sady efa maty koa ny rafozany sy ny vadiny.
1 Samuel 22:20Ary ny anankiray tamin’ ny zanak’ i Ahimeleka, zanak’ i Ahitoba, Abiatara no anarany, dia afa-nandositra ka nanaraka an’ i Davida.