Boky faharoan'i Samoela 16:11
Ary hoy Samoela tamin’ i Jese: Tapitra eto avokoa va ny zanakao-lahy rehetra? Dia hoy izy: Ny faralahy no sisa, fa miandry ondry izy. Ary hoy Samoela tamin’ i Jese: Maniraha haka azy, fa tsy hipetraka hihinana isika ambara-pahatongany eto.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 16
Cross References
1 Samuel 17:12Ary Davida dia zanak’ ilay Efratita avy any Betlehema-joda atao hoe Jese, izay nanana zanaka valo mirahalahy; ary Jese dia efa zokiolona sy anti-panahy tamin’ ny andron’ i Saoly;
1 Samuel 17:28Ary Eliaba zokiny nandre azy niteny tamin’ ny olona dia nirehitra tamin’ i Davida ny fahatezerany, ka hoy izy: Nahoana ianao no midìna etỳ? Ary amin’ iza moa no namelanao ireny ondry vitsy ireny any an-efitra? fantatro ny avonavonao sy ny faharatsian’ ny fonao, fa hizaha ny ady no idinanao etỳ.
2 Samuel 13:3Fa Amnona nanan-tsakaiza, Jonadaba no anarany, zanak’ i Simea, rahalahin’ i Davida; ary Jonadaba dia olona fetsy loatra.
Psalms 78:70Dia nifidy an’ i Davida mpanompony ka naka azy avy tany am-balan’ ondry;