Boky faharoan'i Samoela 17:12
Ary Davida dia zanak’ ilay Efratita avy any Betlehema-joda atao hoe Jese, izay nanana zanaka valo mirahalahy; ary Jese dia efa zokiolona sy anti-panahy tamin’ ny andron’ i Saoly;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 17
Cross References
Genesis 35:19Dia maty Rahely ka nalevina teo amin’ ny lalana mankany Efrata (Betlehema izany).
Ruth 4:17Ary ny vehivavy namany nifidy ny anarany ka nanao hoe: Misy zazalahy teraka ho an’ i Naomy; ary ny anarany nataony hoe Obeda; izy no rain’ i Jese, rain’ i Davida.
1 Samuel 1:1Ary nisy lehilahy Efraimita anankiray tany Ramataima-zofima any amin’ ny tany havoan’ i Efraima, Elkana no anarany zanak’ i Jerohama, zanak’ i Eliho, zanak’ i Toho, zanak’ i Zofa.
1 Samuel 16:10Ary Jese nampandalo fito lahy tamin’ ny zanany teo anatrehan’ i Samoela. Fa hoy Samoela tamin’ i Jese: Tsy nofidin’ i Jehovah ireto.
1 Samuel 16:18Dia namaly ny anankiray amin’ ny zatovony ka nanao hoe: Indro, ny anankiray amin’ ny zanak’ i Jese Betlehemita no hitako mahay mitendry, sady lehilahy mahery sy mpanafika izy ary mahay mandaha-teny sy lehilahy tsara tarehy, ary Jehovah momba azy.
2 Samuel 23:1Ary izao no fara-teny nataon’ i Davida: hoy Davida, zanak’ i Jese, dia ny lehilahy izay voasandratra ho ambony, Ilay voahosotry ny Andriamanitr’ i Jakoba sady mpanao fihirana mahafinaritra amin’ ny Isiraely: