Boky faharoan'i Samoela 17:20
Dia nifoha maraina koa Davida ka namela ny ondriny hotandreman’ olona, ary naka ny entany izy ka lasa nandeha araka ny nandidian’ i Jese azy; ary tonga teo amin’ ny sehatra-sariety izy; ary ny antokon’ ny miaramila izay efa hivoaka hilahatra dia nanakora hiady tamin’ izay.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
21Fa ny Isiraely sy ny Filistina efa nilahatra hiady ka nifanatrika ny miaramila.
Read all of Boky faharoan'i Samoela 17
Cross References
1 Samuel 15:12Ary nifoha maraina koa Samoela hitsena an’ i Saoly, dia nisy nilaza tamin’ i Samoela hoe: Saoly efa tonga ato Karmela, ary, indro, izy nanorina fahatsiarovana ho azy, dia nihodina ka nandroso nidina ho any Gilgala.
1 Samuel 26:5Dia niainga Davida ka tonga teo amin’ ny nitobian’ i Saoly; ary hitan’ i Davida izay nandrian’ i Saoly sy Abnera, zanak’ i Nera, komandin’ ny miaramilany; fa Saoly nandry teo anatin’ ny sehatra-sariety, sady nitoby nanodidina azy ny vahoaka.
Luke 19:43Fa ho avy aminao ny andro izay hananganan’ ny fahavalonao tovon-tany manodidina anao, dia hanemitra anao izy ka hanidy anao manodidina