Boky faharoan'i Samoela 17:51
Dia nihazakazaka Davida ka nitsangana teo anilan’ ilay Filistina, dia nalainy ny sabatr’ ilehio ka notsoahany tamin’ ny tranony, dia namonoany azy, sy nanapahany ny lohany. Ary nony hitan’ ny Filistina fa maty ilay lehilahy maheriny, dia vaky nandositra izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 17
Cross References
1 Samuel 21:9Ary hoy Davida tamin’ i Ahimeleka: Tsy misy lefona na sabatra va eto aminao? fa izaho tsy nitondra ny sabatro na ny fiadiako etỳ amiko, satria nahamaika ny raharahan’ ny mpanjaka.
1 Samuel 31:9Ary notapahiny ny lohany, sady nalainy ny fiadiany, ary dia naniraka tany amin’ ny tanin’ ny Filistina manodidina izy hanambara izany zavatra mahafaly izany ao amin’ ny tranon’ ny sampiny sy amin’ ny olona.
2 Samuel 23:21ary izy koa no namono ilay Egyptiana makadiry be; ary ilay Egyptiana nitondra lefona teny an-tànany, nefa namorotsahan’ i Benaia tamin’ ny tehiny ihany izy, dia nosarihany ny lefona teny an-tànan’ ilay Egyptiana, ka iny lefony iny ihany no namonoany azy.
Psalms 7:15Indro, efa marary hiteraka zava-poana ireo; eny, torontoronina fampahoriana izy ary mitera-doza;
Hebrews 11:34namono ny fidedadedan’ afo, afaka tamin’ ny lelan-tsabatra, raha nalemy dia nampahatanjahina, tonga nahery tamin’ ny ady, dia nampandositra ny miaramilan’ ny firenena hafa.