Boky faharoan'i Samoela 18:30
Ary ireo andrianan’ ny Filistina dia nanafika; ary isaky ny nanafika izy, dia Davida no hita fa hendry noho ny mpanompon’ i Saoly rehetra, ka dia nisandratra ny anarany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
29Ary dia vao mainka natahotra an’ i Davida Saoly; ka dia tonga fahavalon’ i Davida mandrakariva izy.
Read all of Boky faharoan'i Samoela 18
Cross References
1 Samuel 2:30Koa izany no anaovan’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hoe: Efa voalazako tokoa fa ny taranakao sy ny tarana-drainao no handeha eo anatrehako mandrakizay; fa ankehitriny kosa, hoy Jehovah, sanatria Ahy izany; fa izay manome voninahitra Ahy no homeko voninahitra, ary izay manamavo Ahy no ho afa-baraka.
1 Samuel 19:8Ary mbola nisy ady ihany; dia nivoaka Davida ka niady tamin’ ny Filistina ary nahafaty betsaka, ka dia nandositra azy ireny.
2 Samuel 7:9Ary nomba anao tamin’ izay nalehanao rehetra Aho, ka naringako tsy ho eo anoloanao ny fahavalonao rehetra, ary homeko anarana malaza tahaka ny anaran’ izay lehibe ambonin’ ny tany ianao.
2 Kings 1:13Ary dia naniraka mpifehy dimam-polo anankiray koa indray mbamin’ ny dimam-polo fehiny izy. Dia niakatra ilay mpifehy dimam-polo ka tonga, ary nandohalika teo anatrehan’ i Elia ka nifona taminy nanao hoe: Masìna ianao, ry lehilahin’ Andriamanitra ô, aoka ho zava-tsoa eo imasonao ny aiko sy ny ain’ ireto mpanomponao dimam-polo ireto.
Psalms 119:99Hendry noho ny mpampianatra ahy rehetra aho, Satria ny teni-vavolombelonao no fisaintsainako.
Daniel 1:20Ary ny amin’ ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra izay nanontanian’ ny mpanjaka azy, dia hitany fa nanan-tombo im-polo heny noho ny ombiasy rehetra sy ny mpisikidy izay teo amin’ ny fanjakany rehetra aza izy.