Bokin'ny Salamo 119:99
Hendry noho ny mpampianatra ahy rehetra aho, Satria ny teni-vavolombelonao no fisaintsainako.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
I have more understanding than all my teachers: for thy testimonies are my meditation.
In Context
98Ny didinao mampahahendry ahy mihoatra noho ny fahavaloko, Satria ato amiko mandrakizay ireny.
100Hendry noho ny anti-panahy aho, Satria ny didinao no notandremako.
Read all of Bokin'ny Salamo 119
Cross References
Deuteronomy 4:6Koa tandremo ary ataovy izany, fa izany no ho fahendrenareo sy ho fanananareo saina eny imason’ ny firenen-tsamy hafa; fa handre izany lalàna rehetra izany izy ka hanao hoe: Olona hendry sy manan-tsaina tokoa io firenena io
1 Chronicles 15:11Ary Davida niantso an’ i Zadoka sy Abiatara mpisorona sy ny Levita, dia Oriela sy Asaia sy Joela sy Semaia sy Eliala ary Aminadaba,
2 Chronicles 30:22Ary Hezekia dia nankasitraka ny Levita rehetra, izay nanana fahaizana ho an’ i Jehovah; ary nihinana ny Paska hafitoana izy sady nanatitra fanati-pihavanana koa sy nisaotra an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany.
Psalms 119:24Ny teni-vavolombelonao koa no firavoravoako, Eny, mpanolo-tsaina ahy izany.
Jeremiah 8:8Ahoana no anaovanareo hoe: Hendry izahay, ary ato aminay ny lalàn’ i Jehovah? Nefa ny fanoratan-daingan’ ny mpanoratra mahatonga azy ho lainga.
Matthew 13:11Ary namaly Izy ka nanao taminy hoe: Satria ianareo no navela hahalala ny zava-miafina ny amin’ ny fanjakan’ ny lanitra, fa ireny kosa tsy mba navela.