Boky faharoan'i Samoela 18:8
Dia tezitra indrindra Saoly, fa tsy sitrany izany teny izany, ka hoy izy: Ny an’ i Davida nataony alinalina lahy, fa ny ahy kosa nataony arivoarivo ihany; koa ny fanjakana ihany no sisa tsy mbola azony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
7Ary ny vehivavy mpandihy dia nihira hoe: Saoly nahafaty arivoarivo; Fa Davida nahafaty alinalina.
9Ary Saoly hatramin’ izany andro izany dia nangarika an’ i Davida.
Read all of Boky faharoan'i Samoela 18
Cross References
Genesis 37:11Dia nialona azy ny rahalahiny; fa ny rainy kosa nitadidy izany zavatra izany.
Numbers 22:34Dia hoy Balama tamin’ Ilay Anjelin’ i Jehovah: Efa nanota aho; fa tsy fantatro fa Hianao no nijanona nisakana ahy teo an-dalana; koa ankehitriny, raha tsy sitrakao izany, dia hiverina aho.
1 Samuel 15:28Dia hoy Samoela tamin’ i Saoly: Efa notriarin’ i Jehovah kosa ho afaka aminao androany ny fanjakan’ Isiraely ka efa nomeny ny namanao izay tsara noho ianao.
1 Samuel 20:31Fa raha mbola velona etỳ ambonin’ ny tany koa iny zanak’ i Jese iny, dia tsy ho tafatoetra tsara ianao na ny fanjakanao. Koa maniraha haka azy hankatỳ amiko, fa meloka tokony ho faty izy.
Esther 3:5Ary rehefa hitan’ i Hamana fa Mordekay tsy mba nety nandohalika na niankohoka teo anatrehany, dia tezitra loatra izy.
Proverbs 27:4Masiaka ny fahavinirana, ary misafoaka ny fahatezerana; Fa iza no mahajanona eo anatrehan’ ny fahasaro-piaro?