Boky faharoan'i Samoela 20:8
Koa mamindrà fo amin’ ny mpanomponao; fa nampanaovinao ny faneken’ i Jehovah aminao ny mpanomponao; nefa raha manankeloka aho, dia aoka ianao ihany no hahafaty ahy, fa nahoana no ho entinao any amin’ ny rainao aho?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 20
Cross References
Genesis 24:49Koa ankehitriny, raha hanao izay soa sy marina amin’ ny tompoko ianareo, dia lazao amiko; fa raha tsy izany kosa, dia lazao amiko, mba hiviliako na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia.
Joshua 2:14Dia hoy izy roa lahy taminy: Ny ainay no ho faty hisolo anareo, raha tsy holazainareo izao raharahanay izao; ary raha omen’ i Jehovah anay ny tany, dia hamindra fo sy hanao izay marina aminao izahay.
Ruth 1:8Ary hoy Naomy tamin’ ny vinantony roa vavy: Andeha, samy mody any amin’ ny tranon-dreninareo avy ianareo; mba hohasoavin’ i Jehovah anie ianareo araka izay efa nataonareo tamin’ ny maty sy tamiko koa.
1 Samuel 18:3Ary Davida sy Jonatana nanao fanekena noho ny fitiavan’ i Jonatana azy toy ny tenany.
1 Samuel 23:18Ary nanao fanekena teo anatrehan’ i Jehovah izy roa lahy; ary Davida dia nitoetra tany an’ ala, fa Jonatana kosa nankany an-tranony.
1 Chronicles 12:17Ary Davida nivoaka hitsena azy ka niteny taminy hoe: Raha fihavanana no ihavianareo atỳ amiko hanampy ahy, dia hikambana isika; fa raha avy hamadika ahy kosa ianareo ho azon’ ny fahavaloko, nefa tsy mba nanao an-keriny ny tanako, dia Andriamanitry ny razantsika no hijery sy hamaly izany.