Boky faharoan'i Samoela 22:23
Tomoera etỳ amiko, ka aza matahotra; fa izay mikatsaka ny aiko no mikatsaka ny ainao koa; fa eto amiko no hahavoavonjy anao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 22
Cross References
1 Samuel 23:17Ary hoy izy tamin’ i Davida: Aza matahotra, fa tsy hahazo anao ny tànan’ i Saoly raiko; fa ianao no ho mpanjaka amin’ ny Isiraely, ary izaho no hanarakaraka anao, ary fantatr’ i Saoly raiko koa izany.
1 Kings 2:26Ary Abiatara mpisorona dia nilazan’ ny mpanjaka hoe: Mandehana ianao hankany Anatota ho any an-tambohonao, fa olona tokony hatao maty ianao; nefa tsy hataoko maty amin’ izao andro izao, satria nitondra ny fiaran’ i Jehovah Tompo teo alohan’ i Davida raiko ianao sady niara-nitondra fahoriana tamin’ ny raiko tamin’ izay rehetra nampahoriana azy.
John 10:28ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin’ ny tanako.
John 16:2Handroaka anareo hiala amin’ ny synagoga izy; eny, ho avy ny andro, ka hataon’ izay rehetra mamono anareo fa manatitra fanompoam-pivavahana ho an’ Andriamanitra izy.
John 18:9mba hahatanteraka ny teny izay nataony hoe: Tsy nasiako very izay nomenao Ahy.