Boky faharoan'i Samoela 25:24
Dia niankohoka tamin’ ny tongony izy ka nanao hoe: Aoka ho ahy dia ho ahy ity heloka ity, tompokolahy; masìna ianao, avelao ny ankizivavinao hiteny eto anatrehanao, ka henoy ny tenin’ ny ankizivavinao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 25
Cross References
Genesis 44:18Dia nanatona azy Joda ka nanao hoe: Mba henoy kely aho, tompokolahy, aoka ny mpanomponao handaha-teny kely eto anatrehan’ itompokolahy, ary aoka tsy mba hirehitra amin’ ny mpanomponao ny fahatezeranao; fa tahaka an’ i Farao ianao.
1 Samuel 25:28Masìna ianao, mamelà ny fahadisoan’ ny ankizivavinao, fa Jehovah hampaharitra ny taranaky ny tompoko tokoa; fa ny tompoko miady ny adin’ i Jehovah, ary tsy misy ratsy ho hita aminao amin’ ny andro rehetra iainanao.
2 Samuel 14:12Ary hoy ravehivavy: Trarantitra ianao, aoka kely ny mpanompovavinao hanao teny indraim-bava monja amin’ ny mpanjaka tompoko. Ary hoy izy: Lazao ary.
2 Kings 4:37Dia niditra ravehivavy ka niantoraka tamin’ ny tongony sady niankohoka tamin’ ny tany, dia nandray ny zanany izy ka lasa nivoaka.
Matthew 18:29Fa niankohoka ilay mpanompo namany ka nifona taminy nanao hoe: Omeo andro aho, fa haloako ny anao.