Epistily voalohany ho an'ny Tesaloniana 2:9
Fa tsaroanareo, ry rahalahy, ny fikelezanay aina sy ny fisasaranay; fa niasa andro aman’ alina, mba tsy hahavaky tratra na dia olona iray akory taminareo aza, no nitorianay ny filazantsaran’ Andriamanitra taminareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily voalohany ho an'ny Tesaloniana 2
Cross References
Nehemiah 5:15Fa ireo governora fahiny izay teo alohako ireo dia nahavaky tratra ny olona ka nampandoa azy hanina sy divay ary sekely volafotsy efa-polo koa; eny, na dia ny zatovony aza dia nisetrasetra tamin’ ny olona; fa izaho tsy mba nanao izany noho ny fahatahorako an’ Andriamanitra.
Psalms 32:4Fa efa navesatra tamiko andro aman’ alina ny tananao; niova ny fahatanjahako toy ny azon’ ny fahamainana amin’ ny lohataona. [Sela.]
Proverbs 31:18Hitany fa tsara ny tombom-barony, Ary tsy maty jiro mandritra ny alina izy.
Luke 2:37ary efa mpitondratena tokony ho efatra amby valo-polo taona; ary tsy niala teo an-kianjan’ ny tempoly izy, fa nanompo tamin’ ny fifadian-kanina sy ny fivavahana andro aman’ alina.
Acts 18:3Ary satria niray raharaha taminy izy, dia nitoetra tao aminy ka niasa; fa ny manao lay no raharahany.
Acts 20:31Koa miambena, ary tsarovy fa telo taona mipaka aho tsy nitsahatra nananatra anareo rehetra andro aman’ alina tamin’ ny ranomaso.