Epistily voalohany ho an'ny Tesaloniana 4:1
Ary farany, ry rahalahy, mangataka aminareo sy mananatra anareo ao amin’ i Jesosy Tompo izahay, mba ho araka ny nandraisanareo taminay izay mety handehananareo sy hanaovanareo ny sitrapon’ Andriamanitra ― dia araka ny andehananareo ihany ― no hitomboanareo bebe kokoa.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
2Fa fantatrareo ny didy nomenay anareo avy tamin’ i Jesosy Tompo.
Read all of Epistily voalohany ho an'ny Tesaloniana 4
Cross References
2 Chronicles 17:4fa Jehovah, Andriamanitry ny rainy, kosa no notadiaviny, ary araka ny didiny no nalehany, fa tsy mba araka ny fanaon’ ny Isiraely.
Psalms 92:14Efa nambolena tao an-tranon’ i Jehovah izy Ka maniry eo an-kianjan’ Andriamanitsika;
John 15:2Ny sampany rehetra eo amiko izay tsy mamoa dia esoriny; fa ny sampany rehetra izay mamoa kosa dia amboariny, mba hamoa bebe kokoa.
Romans 8:8Ary izay ao amin’ ny nofo dia tsy mahay manao ny sitrapon’ Andriamanitra.
1 Corinthians 11:23Fa izaho efa nandray tamin’ ny Tompo izay natolotro anareo kosa, fa Jesosy Tompo tamin’ iny alina iny izay namadihana Azy, dia nandray mofo,
1 Corinthians 15:58Koa amin’ izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ ny asan’ ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ ny Tompo.