Filazantsara araka an'i Jaona 15:2
Ny sampany rehetra eo amiko izay tsy mamoa dia esoriny; fa ny sampany rehetra izay mamoa kosa dia amboariny, mba hamoa bebe kokoa.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
1Izaho no tena voaloboka, ary ny Raiko no mpamboatra.
3Efa madio rahateo ianareo noho ny teniko, izay nolazaiko taminareo.
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 15
Cross References
Job 17:9Fa ny marina mifikitra tsara amin’ ny halehany, ary izay madio tanana no hitombo hery.
Proverbs 4:18Fa ny lalan’ ny marina dia toy ny fipoak’ andro maraina, Izay mihamazava mandra-pitataovovonan’ ny andro.
Isaiah 29:19Ny mpandefitra hitombo hafaliana amin’ i Jehovah; Ary ny malahelo ao amin’ ny olona hifaly amin’ ny Iray Masin’ ny Isiraely,
Malachi 3:3Ary hipetraka handrendrika sy hanadio volafotsy Izy; eny, hanadio ny taranak’ i Levy Izy sy handrendrika azy toy ny fandrendrika volamena sy volafotsy, ka dia ho an’ i Jehovah ireny ho mpanatitra fanatitra amim-pahamarinana.
Matthew 3:12eny an-tànany ny fikororohany, ary Izy hanadio tsara ny eo am-pamoloany ka hanangona ny variny ho any an-tsompitra; fa ny akofa sy ny mololo hodorany amin’ ny afo tsy mety maty.
Matthew 13:33Ary nanao fanoharana hafa koa taminy Izy hoe: Ny fanjakan’ ny lanitra dia tahaka ny masirasira, izay nalain’ ny vehivavy anankiray ka nataony tao amin’ ny koba intelon’ ny famarana, mandra-pahazon’ ny masirasira azy rehetra.