Epistily voalohany ho an'ny Tesaloniana 4:16
Fa ny tenan’ ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin’ ny fiantsoana sy ny feon’ ny arikanjely ary ny trompetran’ Andriamanitra, ka izay maty ao amin i Kristy no hitsangana aloha;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily voalohany ho an'ny Tesaloniana 4
Cross References
Exodus 19:16Ary nony tamin’ ny marain’ ny andro fahatelo dia nisy kotrokorana sy helatra ary rahona matevina teo amin’ ny tendrombohitra, ary nisy feon’ anjomara mafy indrindra, dia toran-kovitra ny olona rehetra izay teo an-toby.
Numbers 23:21Tsy mijery faharatsiana eo amin’ i Jakoba Izy. Ary tsy mahita fahoriana eo amin’ ny Isiraely; Jehovah Andriamaniny no nomba azy, Ary hoby fanao amin’ andriana no re eo aminy.
Psalms 47:5Mifidy ny lovantsika ho antsika Izy, dia ny voninahitr’ i Jakoba izay tiany. [Sela.]
Isaiah 27:13Ary amin’ izany andro izany koa no hitsofana anjomara lehibe, dia ho avy izay very tany amin’ ny tany Asyria sy izay efa voaroaka tany amin’ ny tany Egypta, ka hiankohoka eo anatrehan’ i Jehovah ao amin’ ny tendrombohitra masìna any Jerosalema.
Zechariah 4:7Iza moa ianao, ry tendrombohitra lehibe? Ho tonga tany lemaka eo anoloan’ i Zerobabela ianao; ary ho entiny mivoaka ny vato hatao tendrony sady hisy fiantsoana hoe: Fahasoavana, fahasoavana anie ho aminy!
Zechariah 9:14Ary Jehovah hiseho ao aminy, Ka handeha toy ny helatra ny zana-tsipìkany, Jehovah Tompo hitsoka anjomara Ka handeha amin’ ny tafio-drivotra any atsimo.