Bokin'ny Nomery 23:21
Tsy mijery faharatsiana eo amin’ i Jakoba Izy. Ary tsy mahita fahoriana eo amin’ ny Isiraely; Jehovah Andriamaniny no nomba azy, Ary hoby fanao amin’ andriana no re eo aminy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
20Indro, ny hitahy no efa azoko; ary efa nitahy Izy, ka tsy mahova izany aho.
22Nentin’ Andriamanitra nivoaka avy tany Egypta izy, ary manan-kery toy ny ombimanga,
Read all of Bokin'ny Nomery 23
Cross References
Exodus 13:21Ary Jehovah nandeha teo alohany tamin’ ny andri-rahona raha antoandro hitari-dalana azy, ary tamin’ ny andri-afo nony alina ho fahazavana ho azy, handehanany andro aman’ alina.
Exodus 33:14Dia hoy Izy: Ny Tavako no handeha, dia hanome anao fitsaharana Aho.
Leviticus 9:24Ary nisy afo nivoaka avy teo anatrehan’ i Jehovah ka nandevona ny fanatitra dorana sy ny saborany teo ambonin’ ny alitara; ary nony hitan’ ny olona rehetra izany, dia nihoby izy sady niankohoka.
Numbers 16:3koa niangona hiodina amin’ i Mosesy sy Arona ireo ka nanao taminy hoe: Aoka izay ianareo! fa masìna avokoa ny fiangonana rehetra, sady Jehovah no eo aminy; koa nahoana no dia manandra-tena ho ambonin’ ny fiangonan’ i Jehovah ianareo?
Judges 6:13Fa hoy Gideona taminy: Indrisy, Tompoko, raha momba anay Jehovah, nahoana no ozoin’ izao rehetra izao izahay? Ary aiza ny fahagagana rehetra nataony, izay nolazain’ ny razanay taminay hoe: Tsy nitondra anay niakatra avy tany Egypta va Jehovah? Fa ankehitriny efa nahafoy anay mihitsy Jehovah ka nanolotra anay eo an-tànan’ ny Midiana.
2 Chronicles 13:12Ary, indro, ato aminay Andriamanitra ho mpitarika anay, ary ny mpisorony sy ny trompetra avo faneno hotsofina mafy hamelezana anareo Ry Zanak’ isiraely ô, aza miady amin’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo; fa tsy hambinina ianareo.