Epistily voalohany ho an'ny Tesaloniana 5:8
Fa satria an’ ny andro isika, dia aoka hahonon-tena ka hitafy ny finoana sy ny fitiavana ho fiarovan-tratra, ary ny fanantenana ny famonjena ho fiarovan-doha.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
7Fa izay matory dia matory amin’ ny alina; ary izay mamo dia mamo amin’ ny alina.
Read all of Epistily voalohany ho an'ny Tesaloniana 5
Cross References
Psalms 42:5Izao zavatra izao no hotsarovako, ka haidiko ato anatiko ny fanahiko, dia ny nandrosoako niaraka tamin’ ny maro, sy ny nitarihako azy ho any an-tranon’ Andriamanitra, nanao feo mihoby sy midera, dia olona maro izay nitandrina ny andro firavoravoana.
Psalms 43:5Nahoana no mitanondrika ianao ry fanahiko? ary nahoana no mitoloko ato anatiko ianao? manantenà an’ Andriamanitra, fa mbola hidera Azy ihany aho. Izy no famonjena ny tavako sady Andriamanitro.
Lamentations 3:26Tsara ny miandry ny famonjen’ i Jehovah amin’ ny fanginana.
Romans 8:24Fa ny fanantenana no namonjena antsika; nefa ny fanantenana hita dia tsy mba fanantenana intsony; fa ahoana no mbola anantenan’ ny olona izay efa hitany?
1 Corinthians 13:13Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana: fa ny fitiavana no lehibe amin’ ireo.
Galatians 5:5Fa izahay amin’ ny Fanahy sy noho ny finoana dia miandry ny fanantenana ny fahamarinana.