Epistily voalohany ho an'i Timoty 1:12
Misaotra an’ i Kristy Jesosy Tompontsika aho, Izay nampahery ahy, fa nataony mahatoky aho ka notendreny ho amin’ ny fanompoana,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
11araka ny filazantsaran’ ny voninahitr’ Andriamanitra finaritra, izay natolotra ho adidiko.
Read all of Epistily voalohany ho an'i Timoty 1
Cross References
John 5:23mba hanajan’ ny olona rehetra ny Zanaka, tahaka ny fanajany ny Ray. Izay tsy manaja ny Zanaka dia tsy manaja ny Ray, Izay naniraka Azy.
Acts 9:22Ary Saoly mainka nihahery, dia nandresy lahatra ny Jiosy izay nonina tany Damaskosy ka naneho marimarina fa Jesosy no Kristy.
1 Corinthians 7:25Fa ny amin’ ny virijina dia tsy manana didy avy amin’ ny Tompo aho; nefa ataoko izay hevitro tahaka izay niantran’ ny Tompo ahy ho mahatoky.
2 Corinthians 3:5Kanefa tsy mihambo hanana fahaleovana avy aminay hihevitra na amin’ inona na amin’ inona izahay; fa ny fahaleovanay dia avy amin’ Andriamanitra,
2 Corinthians 12:9Nefa hoy Izy tamiko; Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko dia tanterahina amin’ ny fahalemena. Koa mainka sitrako ny hirehareha amin’ ny fahalemeko, mba hitoeran’ ny herin’ i Kristy amiko.
Philippians 4:13Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’ ilay mampahery ahy.