Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 12:9
Nefa hoy Izy tamiko; Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko dia tanterahina amin’ ny fahalemena. Koa mainka sitrako ny hirehareha amin’ ny fahalemeko, mba hitoeran’ ny herin’ i Kristy amiko.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
8Izany no nangatahako intelo tamin’ ny Tompo, mba hialan’ izany amiko.
Read all of Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 12
Cross References
Exodus 4:10Ary hoy Mosesy tamin’ i Jehovah: Tompo ô, mifona aminao aho, olona tsy mahay mandaha-teny aho, na hatrany aloha, na hatramin’ izao itenenanao amin’ ny mpanomponao izao aza; fa votsa vava sy miadam-piteny aho.
Joshua 1:9Tsy efa nandidy anao va Aho? Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin’ izay rehetra alehanao.
Psalms 8:2Jehovah, Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao amin’ ny tany rehetra! nataonao eny amin’ ny lanitra ny voninahitrao.
Isaiah 11:2Ary ny fanahin’ i Jehovah hitoetra ao aminy, dia ny Fanahin’ ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina; Ny Fanahin’ ny fanoloran-tsaina sy ny faherezana; Ny Fanahin’ ny fahalalana sy ny fahatahorana an’ i Jehovah;
Isaiah 40:29Mampahatanjaka ny reraka Izy, ary izay kely hery dia omeny hery be.
Isaiah 43:2Raha mita ny rano ianao, dia homba anao Aho; Ary raha mita ny ony ianao, dia tsy hanafotra anao izy; Raha mandeha mamaky ny afo ianao, dia tsy ho may, Ary tsy hirehitra aminao ny lelafo;