Epistily voalohany ho an'i Timoty 6:10
Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin’ ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin’ ny alahelo be.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily voalohany ho an'i Timoty 6
Cross References
Genesis 29:26Dia hoy Labana: Tsy fanao atỳ amin’ ny taninay ny mamoaka ny zandriny alohan’ ny zokiny.
Genesis 34:23Tsy ho antsika va ny omby aman’ ondriny sy ny fananany mbamin’ ny biby fiompiny rehetra? Aoka hanaiky ny teniny ihany isika, dia hiara-monina amintsika izy.
Genesis 38:16Dia nivily nanatona azy teo amoron-dalana Joda ka nanao hoe: Aoka mba handry aminao aho (fa tsy fantany ho vinantony izy); dia hoy kosa ravehivavy: Inona ary no homenao ahy, raha handry amiko ianao?
Deuteronomy 16:19Aza manao fitsarana miangatra, aza mizaha tavan’ olona, ary aza mandray kolikoly; fa ny kolikoly mahajamba ny mason’ ny hendry ary mamadika ny tenin’ ny marina.
Deuteronomy 23:18Aoka tsy hisy zanakavavy na zanakalahin’ ny Isiraely hanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy.
Judges 18:19Dia hoy ireo taminy: Mangìna ianao, tampeno ny tananao ny vavanao, ka andeha hiaraka aminay, dia ho rainay sy mpisoronay ianao; moa tsara ho anao va ny ho mpisorona ho an’ ny olona iray trano noho ny ho mpisorona amin’ ny firenena iray sy ny foko iray amin’ ny Isiraely?