Epistily voalohany ho an'i Timoty 6:11
Fa ianao kosa, sy lehilahin’ Andriamanitra, mandosira izany zavatra izany, ka miezaha mitady fahamarinana, toe-panahy araka an’ Andriamanitra, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily voalohany ho an'i Timoty 6
Cross References
Deuteronomy 33:1Ary izao no tso-drano nataon’ i Mosesy, lehilahin’ Andriamanitra, tamin’ ny Zanak’ Isiraely, rehefa nadiva ho faty izy.
1 Samuel 9:6Fa hoy ny mpanompony taminy: Indro, misy lehilahin’ Andriamanitra amin’ iroa tanàna iroa, ary lehilahy malaza izy, fa izay rehetra lazainy dia tanteraka tokoa; koa andeha isika hankany, fa angamba hatorony antsika izay lalana tokony halehantsika.
1 Kings 13:26Ary nony nandre izany ilay mpaminany izay namerina azy tany an-dalana, dia hoy izy: Ilay lehilahin’ Andriamanitra nandà ny tenin’ i Jehovah izay; fa natolotr’ i Jehovah ny liona izy ka noviravirainy sy novonoiny araka ny tenin’ i Jehovah, izay efa nolazainy taminy.
1 Kings 17:24Ary hoy ravehivavy tamin’ i Elia: Ankehitriny izao dia fantatro fa lehilahin’ Andriamanitra tokoa ianao, ary marina ny tenin’ i Jehovah aloaky ny vavanao.
2 Kings 1:9Ary ny mpanjaka naniraka mpifehy dimam-polo anankiray mbamin’ ny dimam-polo fehiny hankany aminy. Dia niakatra tany aminy izy; ka indro izy nipetraka teo an-tampon’ ny tendrombohitra; ary niteny taminy ralehilahy hoe: Ry lehilahin’ Andriamanitra ô, midìna ianao, antsoin’ ny mpanjaka.
2 Kings 5:20Fa hoy Gehazy, zatovon’ i Elisa, lehilahin’ Andriamanitra: Indro, ny tompoko namela fotsiny ity Namàna Syriana ity ka tsy nandray tamin’ ny tànany izay zavatra nentiny, fa raha velona koa Jehovah, dia hihazakazaka hanaraka azy aho ka handray zavatra aminy.