Bokin'ny Tantara 29:21
Ary nitondra vantotr’ ombilahy fito sy ondrilahy fito sy zanak’ ondry fito izy ary osilahy fito ho fanatitra noho ny ota ho an’ ny fanjakana sy ho an’ ny fitoerana masìna ary ho an’ ny Joda. Ary ny mpisorona, taranak’ i Arona, dia nasainy nanatitra ireo teo ambonin’ ny alitaran’ i Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 29
Cross References
Leviticus 4:3raha ny mpisorona voahosotra no manota ka mahameloka ny olona, dia aoka hanatitra vantotr’ ombilahy tsy misy kilema izy noho ny fahotany izay nataony, dia fanatitra noho ny ota ho an’ i Jehovah.
Numbers 23:1Ary hoy Balama tamin’ i Balaka: Manorena alitara fito eto ho ahy, ka manamboara vantotr’ ombilahy fito sy ondrilahy fito.
Numbers 23:29Dia hoy Balama tamin’ i Balaka: Manorena alitara fito eto ho ahy, ka manamboara vantotr’ ombilahy fito sy ondrilahy fito.
Ezra 8:35Ary ny olona izay niverina avy tamin’ ny fahababoana dia nanatitra fanatitra dorana ho an’ Andriamanitry ny Isiraely, dia vantotr’ ombilahy roa ambin’ ny folo ho an’ ny Isiraely rehetra sy ondrilahy enina amby sivifolo sy zanak’ ondry fito amby fito-polo ary osilahy roa ambin’ ny folo ho fanatitra noho ny ota: fanatitra dorana ho an’ i Jehovah ireo rehetra ireo.
Ezekiel 45:23Ary amin’ ny andro firavoravoana hafitoana dia hanatitra fanatitra dorana isan’ andro mandritra ny hafitoana ho an’ i Jehovah izy, dia vantotr’ ombilahy fito sy ondrilahy fito tsy misy kilema, ary osilahy iray isan’ andro hataony fanatitra noho ny ota.