Bokin'ny Tantara 33:2
Ary nanao izay ratsy eo mason’ i Jehovah izy tahaka ny fahavetavetan’ ny firenena izay noroahin’ i Jehovah tsy ho eo anoloan’ ny Zanak’ isiraely.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 33
Cross References
Leviticus 20:22Ary tandremo ny didiko rehetra sy ny fitsipiko rehetra, ka araho izy, mba tsy handoa anareo ny tany izay itondrako anareo honenana.
Deuteronomy 12:31Aza manao toy izany amin’ i Jehovah Andriamanitrao; fa ny fahavetavetana rehetra, izay halan’ i Jehovah, no nataony tamin’ ny andriamaniny; fa ny zananilahy sy ny zananivavy aza dia nodorany tamin’ ny afo ho an’ ny andriamaniny.
Deuteronomy 18:14Fa ireo firenena izay efa horoahinao ireo dia mihaino ny mpanandro sy ny mpanao fankatovana; fa ianao kosa tsy navelan’ i Jehovah Andriamanitrao hanao izany.
2 Kings 17:15Ary nolaviny ny didiny sy ny fanekeny izay nataony tamin’ ny razany mbamin’ ny teni-vavolombelony izay nananarany azy; ary nandeha nanaraka ny zava-poana izy, ka dia tonga zava-poana koa ary nanaraka ny jentilisa manodidina azy, izay efa nandraran’ i Jehovah azy mba tsy halainy tahaka.
2 Kings 21:9Nefa tsy nihaino izy; fa Manase nitaona azy hanao ratsy mihoatra noho ny nataon’ ny jentilisa, izay naringan’ i Jehovah tsy ho eo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely.
2 Chronicles 36:14Ary ny lehibe rehetra tamin’ ny mpisorona sy ny vahoaka koa nanao izay mahadiso indrindra araka ny fahavetavetana rehetra fanaon’ ny jentilisa ka nandoto ny tranon’ i Jehovah tany Jerosalema izay nohamasininy.