Bokin'ny Tantara 7:13
Koa, indro, raha mampihantona ny andro Aho, ka tsy misy ranonorana latsaka, na asaiko mandany ny tany ny valala, na anaterako areti-mandringana ny oloko,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 7
Cross References
Numbers 14:12Hamely azy amin’ ny areti-mandringana Aho ka hamongotra azy, fa hanao anao ho firenena lehibe sy mahery noho izy kosa.
Deuteronomy 11:17ary dia hirehitra aminareo ny fahatezeran’ i Jehovah, dia hanampina ny lanitra Izy, ka tsy hisy ranonorana, ary tsy hahavokatra ny tany; dia ho lany ringana faingana ianareo tsy ho eo amin’ ny tany soa izay omen’ i Jehovah anareo.
2 Chronicles 6:26Raha mihantona ny andro, ka tsy misy ranonorana noho ny nanotan’ ny olona taminao, ary mivavaka manatrika ity fitoerana ity izy ka manaiky ny anaranao sady miala amin’ ny fahotany, satria ampahorinao,
Job 11:10Raha mandroso Izy ka misambotra ary manao fitsarana, dia iza moa no mahasakana Azy?
Psalms 105:34Niteny Izy, dia tonga ny valala Sy ny sompanga tsy hita isa;
Ezekiel 14:19Ary raha mandefa ared-mandringana mamely izany tany izany Aho, sady aidiko aminy ny fahatezerako, dia amin’ ny fandatsahan-drà mba haharingana ny olona sy ny biby ao aminy,